Skip to Content

Rindrambaiko famolavolana fanampiny

GstarCad 2025

Mampiasa AutoCAD amin’ny asanao 2D na 3D ve ianao ? Eny ary, GstarCAD dia lazaina hoe "Clone" na rindrambaoko mifanetana amin'i AutoCAD : 

  • Fahazoan-dalana maharitra.
  • Lisitra mitovy amin'ny AutoCAD
  • Manana asa mitovy 95% amin'ny AutoCAD
  • Mitovy format DWG ary afaka mampiasa PDF, IFC, RVT
  • Misy API afaka ampiasain'ny mpamorona rindrambaiko ( Lisp, VBA, .Net, C++)
  • 3D misy ao amin'ny dika Pro

Fa ny vidy no tena mahasamihafa azy !!
Eto Madagascar GstarCad izay manana fahazoan-dalana maharitra dia in' valo heny mora kokoa noho ny AutoCAD izay hampanofanà isan-taona !

Jerevo ary GstarCad

ArchLine 2025

Ny fidirana amin’ny BIM sy ny filana azy no fisian'i ArchLine : 

Miasa amin'ny tetikasa 2D sy 3D, ary manamboatra zavatra vaovao : hafaka mamorona tetikasa amin'ny fomba mora sy tena haingana ! 
Misy ambaratonga maro amin'ny fanorenana trano, amin'ny fizarana "façades" sy "coupes"  ifandraisana ! Na trano misy rihana betsaka aza dia misy fifandraisanana avokoa !

  • Fahazoan-dalana maharitra.
  • Rindrina, tafo beton, andry /tsivalala...
  • Varavarana, varavarakely,
  • Tafo, toatra...
  • Famolavolana ny firafitry ny tany (dika Pro)
  • Singa MEP (dika Pro)
  • Singa famolavolana  (dika Pro) 

Jerevo ary ArchLine

Ireto fanontaniana mipetraka matetika:

Ao amin'ny MiraCad, fantatray fa ny ankamaroan'ny mpampiasa dia maniry hividy fahazoan-dalana maharitra. Izany no antony anomezan'i GstarCAD sy ArchLine amin’ny fahazoan-dalana maharitra : mividy ny fahazoan-dala ianao dia izay ihany ! 
Tsy misy sara isan-taona, tsy misy fisoratana anarana, tsy misy famandrihana.
Mbola manan-jo amin'ny fanohanana ara-teknika ianao, ary atolotra aminao isan-taona amin'ny vidiny mirary ny fanavaozana.  Tsy voatery hividy ianao : afaka miandry 1, 2 na 5 taona raha tianao !

Marihana fa raha mila rindrambaiko hofanà isan-taona ianao, dia afaka manome izany izahay : mandefa hafatra aminay fotsiny.

Tsy misy rindrambaiko piraty ao amin’ny MiraCad ! Manome fahazoan-dalana ofisialy sy maharitra izahay : Vidio ny rindrambaiko dia ampiasao araka izay itiavanao azy. Ny fahazoan-dalanao dia manana kaody noforonin’ny mpamorona ofisialy.

Nifampiraharaha izahay mba hahazoana vidiny tsy manam-paharoa amin’ireo mpanome: GstarSoft ho an'ny GstarCAD any Sina, ary CadLine ho an'ny ArchLine any Hongrie dia nanaiky hanova manokana ny vidin’izy ireo ho an’i Madagasikara ! 
Fepetra tokana : tokony ho orinasa na olon-tsotra mipetraka eto Madagasikara ianao ary ampiasaina eto amin’ny firenena ny rindrambaiko. Tsy azo vidiana aty aminay raha hampiasaina any ivelany, ohatra any Italia ohatra !

Manome fanohanana ara-teknika maimaim-poana sy tsy misy fetra ho an’ny rindrambaiko rehetra izahay. Afaka mametraka fanontaniana ny mpampiasa ary mahazo valiny haingana avy amin’ny ekipanay manam-pahaizana. Ankoatr’izay, ho an’ny dikan-rindrambaiko novidinao, dia hahazo fanavaozana avy amin’ny mpanamboatra ianao, maimaim-poana, mba hiantohana traikefa fampiasana tsara indrindra.

MiraCad dia foibe fanofanana ihany koa : faly izahay hanofana anao na amin’ny toerana fiasana na amin’ny Internet. Tsy maimaim-poana anefa ity fanofanana ity. Afaka mifandray amin’ny sampana ara-barotra izahay mba hamaritana miaraka aminao ny fepetra sy ny fomba fanatanterahana izany. 
Te hianatra samirery ? Tsy maninona ! Manana fizarana E-learning ao amin’ny tranokalanay izahay, izay ahitana "modules vidéo" manazava amin’ny antsipiriany ny fiasa rehetra. 
Ny "version Education" izahy azo hampiasaina maimaim-poana ho an’ny sekoly sy mpianatra, dia manolotra dikan-rindrambaiko hahafahanao mianatra amin’ny vidiny mirary.